Tetiandrom-pampianarana: angatahan’ny mpampianatra ny hiverenan’ny tombana isaky ny telo volana

Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy Mahamasina, ny fivoriana ho fanapahana ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Niara­hana tamin’ny sekoly miahy tena sy sekolim-pinoana izany, ahafahana maka ny hevitry ny rehetra.
Tamin’izany no nahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpampianatra ny hivere­nana indray amin’ny fampiharana ny fanaovana tom­bana isaky ny telo volana fa tsy isaky ny roa volana toy ny natao taona maromaro nisesy izao.
Be loatra ny fotoana very amin’ny fanaovana tomban’ ezaky ny mpianatra raha ny hevitr’ireo mpampianatra. Tsy voafehin’ny mpianatra akory izay omena azy dia efa tsaraina izy ireo ka tsy tena tafita ny fampianarana.
Fanadinana fitsapam-pahaizana 5 no homanina hataon’ny mpianatra anatin’ ny taona iray ary maromaro ny fiatoana eny anelanelan’ izany ka sarotra ny mifehy ny fandrindrana ny fandaharam-potoana.
Ho an’ny any ambanivohitra, very herinandro isam-bolana ny fampianarana noho ny halaviran-dalana amin’ny fakana karama ka miteraka fikorontana ara-potoana.
Mangataka ny hiverenan’ ny tetiandrom-pampianarana ho isan-telovolana, araka izany, ireo mpampianatra hamerenana ny lentan’ny fanabeazana. Maromaro ny lesona vita anatin’izay telo volana izay ka ahafahana manao tomban’ezaka araka ny tokony ho izy, manamora ny fanomanana ary hampifantoka kokoa ny mpianatra, raha ny soso-kevitr’ireo mpampianatra mahita ny zava-misy eny ifotony.
Manomboka ny volana septambra 2023 ka hatra­min’ny volana jona 2024 no fanirian’ny mpampianatra hanatanterahana ny taom-pianarana vaovao.
Nokendrena tao anatin’ ny fivoriana niarahana tamin’ ny mpampianatra ny hisorohana rahateo ny fotoana very ary hifanaraka amin’ny hevitry ny rehetra, indrindra hifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara.
Hoentina eo anivon’ny foibem-pitondrana misahana ny raharaham-pitsarana ao amin’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena ny he­vitra rehetra naroson’ny mpampianatra ka ezahina hivoaka mialohan’ny fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra ny fanapahan-kevitra farany.

Tatiana A

Partager sur: