Tetikasa Haraton’Aina ao Farafangana : manomboka miarindoha ireo fianakaviana marefo

Faritra lasibatry ny rivodoza matetika ny ao Atsimo Atsinanana. Marefo vokatr’izany ireo ankohonana ka hiasa amin’ny tetikasa fiahiana sosialy. Miarindoha tsikelikely ireo ankohonana tena tafalatsaka anaty fahantrana lalina teo aloha. Miezaka mitazona ny paikady nomena rehetra izy ireo hahaleo tena ara-pivelomana manomboka izao.

Fotoan-dehibe ho an’ ny distrikan’i Fara­fangana, faritra Atsimo Atsinanana ity herinandro ity izay nahafahan’ireo mpi­sitraka ny tetikasa “Haraton’ Aina” naneho ampahibemaso ny fivoarany taona vitsy taorian’ny fanohanana azy.
Nidina mivantana ny Sekretera jeneralin’ny mi­nisiteran’ny Mponina, Ra­kotonirina Miarisoa Patri­cia, niaraka tamin’ny FID, mpanatanteraka ny asa nijery ny fahombiazan’izy ireo.
Hanaporofoan’ireo fiana­kaviana marefo ny vokatry ny ezaka nataony rehefa nahazo ny tantsoroka ara-bola sy fiofanana ary teknika ny telo andron’ny Tsena­ben’ny mpisitraka izay ma­haliana ny olona ao Fara­fangana.
Tanjona ny hanehoana fa tsy famatsiam-bola ihany no azon’izy ireo anatin’ ireo fandaharanasa toy ny “Asa Avotra Mirindra” sy ny “Vatsin’Ankohonana” fa ao indrindra koa ny tohana isan-karazany sy voizina hampahaleotena azy ireo ara-pivelomana mihitsy.
Tanjona ny hanarina ny fiainan’ny ankohonana ho afaka anaty fahantrana lalina ary hahatonga azy ireo ho tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna misy ary hipaka amin’ny firenena mihitsy.
Efa sahy mijoro ireo fianakaviana sahirana teo aloha, araka izany, fa mahomby ny fihariana. Afaka mampiana-janaka, mahafehy teknikam-pambolena mitondra vokatra tsara, mahafehy ny paikady fiarovana ny tontolo ambanivohitra…

Tokantrano 2.500 no mpisitraka ny tetikasa

Mandray anjara amin’ny Tsenaben’ny mpisitraka ny kaominina 20 ao amin’ny distrikan’i Farafangana sy kaominina 10 ao amin’ny distrikan’Ikongo. Ahitana mpisitraka ny tetikasa fiahiana sosialy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Manodidina ny 2.500 ireo tokantrano nahazo tombony ary efa miarindoha tanteraka nandritra ny taona vitsy nisian’ny tetikasa tany an-toerana.
Tsiahivina fa anisan’ny faritra ianjadian’ny loza voajanahary toy ny rivo­doza, mila ho isan-taona ireo mponina ao Atsimo Atsi­nanana. Sasatry ny miarina izy ireo aorian’ny fandalovan’ny loza ka mendrika ny hotohanana.

Tatiana A

Nitondra fanazavana tamin’ireo tomponandraikitra eny ifotony ny tohin’ny tetikasa ihany koa ny fotoana teto Farafangana. Nohazavain’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina fa misy ny fandaharanasa vaovao sady tohin’ny teo aloha, mitentina 250 tapitrisa dolara, vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola.

Hampitombo isa ireo mpisitraka ny tetikasa fiahiana sosialy eto Madagasikara izany. Faritra 15 no niasana teo aloha ary hiparitaka amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy izany amin’ity taona ity. Nohazavaina ihany koa ny tetikasa RSU na ny fandrafetana ho lisitra tokana ireo fianakaviana marefo misitraka ny tetikasa izay efa fampiasan’ireo firenena any ivelany, ahafahana manara-maso sy mandrefy na manao tomban’ezaka azy ireo aorian’ny fandraisany izany tohana izany.

Partager sur: