Very ny poketra : mpitondra taxi moto nivadika ho jiolahy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria bo­­riborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, teny Antanety Ambohima­narina, afakomaly, ny lehilahy iray mpanao taxi-moto nivadika nanao asan-jiolahy. Vehivavy iray nandeha hiasa alina ka nahita taxi-moto iray no lasibatra tamin’izany. Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity ka nanakana taxi-moto izy tamin’io fotoana io. Nahatazana ireo polisy nanao sakana anefa ilay mpitondra moto, teo Antanety, ka nasainy nidina ilay vehivavy nentiny mba hialana ny fisavan’ny polisy. Nidina teo ambony moto tokoa ilay vehivavy, kanjo lasa nirifatra niaraka tamin’ny poketra misy finday sy vola 90 000Ar ary carte bancaire ilay tsy mataho-tody. Nampandre ny polisy ilay niharam-boina ka niroso tamin’ny fanenjehana ny polisy. Tsy lavitra dia tratra ity mpanao taxi-moto ity.

J.C

Partager sur: