Asan-dahalo : manaraka fitsaboana ireo miaramila voatifitra

Tsaboina etsy amin’ny Hopitaly CENHOSOA « Cen­tre Hospitalier de Soavi­nandriana » nanomboka ny sabotsy teo, ireo miaramila roa lahy naratra vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana tany Mandoto, ny herinandro lasa teo. Voan’ny bala sy naratra vokatry ny fianjerana, manaraka fitsaboana akaiky izy mirahalahy. Nanoloana io tranga io, nandray an-tanana ny fitsaboana ireto miaramila ireto ny minisitry ny Fiarovam-pirenena izay tonga nampahery azy ireo. Raha tsiahivina, dahalo an-jatony, nitondra fitaovam-piadiana, nanafika tao amin’ny tanànan’Anjeze, fokontany Beakanga, kaominina Va­siana, ny herinandro lasa teo. Lavo tamin’izany ny zandary iray sy miaramila iray. Naratra ny mpitandro filaminana roa lahy ka izao manaraka fitsaboana izao. Miara-misalahy amin’ny famerenana ny fandriampahalemana any an-toerana ny Tafika sy ny zandary .

Tsiferana R.

Partager sur: