Ho an’ny sasany, «sambany». Ho an’ny hafa, «hay ve tahaka izany no atao hoe teatra». Ho an’ny ankamaroan’ ny tanora tonga tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra : «tena liana be izahay. Heverinay fa mitovy amin’ilay tantara nolalaovinay tany am-piangonana…» ! Nahaliana ny tanora ny nilalaovan’ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana ilay tantara «HM», nosoratan-dRakoto de Monplaisir, noravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo.
Sokajiana ao anatin’ny teatra klasika malagasy izy ity. Nahavariana ny tanora, omaly, izy io satria tafiditra ho anisan’ny fampitan-kevitra ao anatin’ny tantara, ny hira. Tsy mijanona ho ravaka fotsiny fa tena mifameno sy mifamatotra akaiky amin’ny ambaran’ny mpilalao. Izany hoe, tokony mahay mihira (mahafehy teknika fihirana) ihany koa ny mpilalao teatra klasika malagasy.
Marihina fa anisan’ny manohana ny Tropy Jeannette amin’ny fanatanterahana ny «mampitia hatrany ny teatra malagasy» ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
HaRy Razafindrakoto