fikambanana varira : voaroba ny tranon’ny filohany

Notafihin’ny jiolahy ny tokantranon’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence ao Maevatanana, ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Very nandritra ity fanafihana ity ny entana sarobidy rehetra niharian’izy mivady an-taona maro. Nambaran’i Soja Fulgence fa samy tsy teo an-toerana izy mivady tamin’io fotoana io fa ny zanak’izy ireo telo mianadahy no tao an-trano. Lasa nivoaka nandeha niantsena anefa ireo ankizy no niseho ny fandrobana. Nohamafisiny fa tsy nisy ny vaky trano na fanapitsohana fa toy ny novohaina tamin’ny fanalahidy ny trano. Eo in­drindra no mampisalasala sy mahalasa saina ity raim-pianakaviana fa ahiana ho efa nomanina izao fandrobana izao. Nomarihiny rahateo fa ny mpiambina ny tanànan’izy ireo irery ihany no manana dika mitovy ny fanalahidin’ny trano.

Jean Claude

Partager sur: