Nifarana tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa fiofanana nokarakarain’ny governemanta Amerikana. Nisitraka izany ireo mpitarika English club moderator training (ECMT) 30 avy any an-toerana.Tanjona ny hanatsarana sy hamehezana ny fahaizan’ny mpianatra ny teny anglisy Amerikana.
Niavaka ny fiofanana satria nomena azy ireo ny teknika rehetra ahafehezana ny fitenenana, ny fahazoana, ny famakiana ary ny fanoratana teny anglisy. Nomena azy ireo koa ny fombam-pampianarana vaovao, izay novolavolain’ny governemanta Amerikana. Nahazo teknika sy fitaovana vaovao. Nahazo fiofanana momba ny famoronana sy fitarihana ary fanentanana ny fikambanana. Ankoatra izay, misy ny varavarana misokatra any an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mba hampandrosoana sy hanohanana ireo fikambanana mpankafy teny anglisy any an-toerana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny mpanolontsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikana, Laseanta Stafford sy ny Profesora Kathleen F.
Nanomboka ny taona 2017 ny fiaraha-miasa teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny governemanta Amerikanina. Mba hanatsarana ny fampianarana sy fianarana teny anglisy eto amin’ny Nosy. Maro ny vokatra azo nandritra izay, toy ny fanavaozana ny fandaharam-pampianarana teny anglisy eny amin’ny lisea sy eny amin’ny oniversite. Manginy fotsiny ny fampiofanana mpampianatra teny anglisy 2 750 sy fikambanana mpankafy teny anglisy manerana ny Nosy
Mino (mpianatra asa)