Nifarana omaly alahady 18 jona, teny By-Pass Ambohimanambola, ny fampivondronana fahadimy, hitilina ireo karateka handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, manomana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Hefarana ny faharetan’izany, niarahan’ ireo mpanazatra 6 mirahalahy ary ilay manampahaizana frantsay, i Geoges Hafizou,
7 è Dan.
Nambaran-dRatefinanahary Emile fa tanjon’ny federasion’ny Karate malagasy (FKM), ny tsy hivoahan’ny medaly volamena eto Madagasikara. Efa vonona hiatrika izany ny atleta. Mahatratra 76 mianadahy ireo nanaraka ny fampivondronana ao amin’ny “combat” sy “kata” saingy 31 ihany ny hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Hivoaka ny alahady 9 jolay ho avy izao ny anaran’ireo ekipa raikitra, ho ao anaty ekipam-pirenena.
Tompondaka