Mandritra ny CEPE : hanjaka ny zavona maraina

Nitsoka ny varatraza ny fa­ran’ny herinandro. Nihana­lefaka izany manomboka anio, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Am­pan­drianomby, omaly. Ho an’ny anio, nihanalefaka ny tsiokan’ny varatraza. Mahatonga izany ny fisian’ny rindrin-drahona ao amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mbola hahazo orana malefaka any Sava sy Analanjirofo. Ho maina ny andro amin’ny faritra sisa rehetra.
Rahampitso, hanjaka ny zavona vao maraina. Hisava ihany izany rehefa atoandro eto afovoantany. Varatraza malefaka no mandrafitra ny toetry ny andro ka mbola hi­toetra ny orana any Sava sy Analanjirofo fa ho maina ny faritra ambiny . 10°C ny maripana ny maraina, hiakatra ha­tramin’ny 24°-26°C ny atoandro.
7°C ny maripana vao maraina, any Vakinankaratra. Manentana ny mpampiasa ny lalam-pirenena ny teknisianina mba hitandrina. Ho betsaka ny zavona, mety hitera-doza amin’ny fahitana. Ho an’ny alarobia, tsy hisy fiovana loatra ny toetry ny andro fa hahazo vahana ny zavona maraina. Hisinda avy eo miaraka amin’ny maripana miakatra ny atoandro.

Vonjy

Partager sur: