63 taona no niverenan’ny Fahaleovantena. Hatramin’izao, misy hatrany ny miroaroa saina: mila manangan-tsaina ve, hono, ny tena sa tsia? Misy aza ny manao anditra na mifanditra amin’izany. Nahoana? Ny itsitokotoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ny tanàna koa tsy ilaozan’adala? Na izany aza, tsotra ny resaka tsy azo ifanerena: izay manana sy misy saina, manangan-tsaina. Mazava be. Inona moa no ndeha hataon’ny tsy misy na tsy manana saina amin’izao?
Amin’izany, mahabe resaka ny fisian’ny hoe manangana saina fotsy. Naman’ny tsy misy na tsy manana saina koa? Na misy sy manana ihany fa fotsifotsy… Inona moa ny hoe saina fotsy, raha tsy amin’ny tany miady. Eny, na amin’ny adim-piainana koa aza amin’izao. Tsy inona fa tandindon’ny faharesena sy filavoana lefona. Efa mibaboka fa resy izany, tsy vonon-kiady intsony fa very fanantenana sy finoana tanteraka. Tsy inona fa hoe tola sy resin’ny fahantrana, hono, i Madagasikara.
Inona ny hoe Fahaleovantena amin’izany? Eny, na noho ny saina fotsy fotsiny aza… Saina fotsy na fotsifotsy saina? Tsy mahatombina toy ny fotsy varavarana, ratsy toy ny fotsy fanahy na fotsy feo na fotsy tsinay, tsy to na tsy toavin-teny toy ny fotsy rora miteny… Tsy ho voatanisa; eny, na eo aza ny haja amam-boninahitry ny fotsy volo, ny hatanoran’ny fotsy nify… Tsy izay kosa ny saina fotsy na fotsifotsy saina. Naman’ny resy tsy miady? Na tsy mahatanty lazon’ady.
Ady amin’ny fahantrana? Ao anatiny tanteraka izao… Mino sy manantena fandresena matoa miady ny tena. Ho resy tsy miady? Lazon’ady io: tsy anamelohana na anakiviana tena na eo aza ny fandinihana sy fitsarana tena, tsy hanaketrahana sy hanasoketana ny hafa tsy mitovy firehana na fijery amin’ny tena… Iray ny firenena ary iombonana ny Fahaleovantena. Tsy tokony ho iray ihany ve ny saina, fa tsy hoe samy manana ny azy na samy manao izay saim-pantany.
Raha ny marina, mampiray saina ny Fahaleovantena. Antony politika no ndeha hampiroaroa saina amin’izao? Lasa misy fotsifotsy saina… Nefa ny hevitra no tsy mitovy, fa iray ihany ny tanindrazana sy ny Fahaleovantenam-pirenena. Izay indray ve no ndeha mbola hampizarazara an-toerana? Nefa ny zarazarana hanjakana aza no iadiana fo hiverenan’ny Fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena. Hanao ahoana ny ho avy raha toy izany ihany no atao? Hatramin’ny saina avy no… Aoka re e!
R. Nd.