Mifototra amin’ny fambolena ny fiveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy. Miantoka ny 20%-n’ny harinkarena faobe (PIB) eto Madagasikara, ny taona 2017. Toraka izany koa ny any atsimon’ny Nosy, nefa marefo manoloana ny haintany ka nihena be ny rano, tsy ampy ny masomboly sy ny vokatra. Araka ny antontanisan’ny sampandraharaha iraisampirenena ara-tsakafo IPC, ny avrily 2020, tsy ampy sakafo ny 60%-n’ny mponina any Atsimo, manodidina ny 1,6 tapitrisa. Manoloana ireo, paikady noraisin’ny fanjakana, dingana voalohany, ny Tetikasa “Tendro” eny ifotony, hampiroboroboana ny fambolena ara- indostrialy any atsimo (Picas 1). Anisan’ny mameno an’io ny fandaharanasa fampandrosoana ny fambolena “Defis”. Ao anatin’izany ny fanajariana ny lemaka sy ny fanamboaran-dalana.
Velarantany 1 159 ha hajariana
Nampahafantarina tany Taolagnaro, ny zoma 16 jona teo, ny tetikasa Picas 1. Anisan’ny vokatra andrasana amin’ny Picas 1 ny hanajarina velarantany 1 159 ha. Fanarenana lalan-tany 52 km. Fanaovana lavadrano lehibe anankiroa hamahanana ny biby fiompy, rano fisotro hoan’ny olona miisa 6 000 sady manondraka tanimboly 31 ha. Hisy tany mitotaly 160 ha hananganana tanàna, hanomezana titra maitso ho an’ny fianakaviana. Miisa telo ny sinibe fitahirizan-drano any ambanin’ny tany hatao. Mahatratra 2 000 ha ny fanarenana tany hambolena mitsinjo tontolo iainana. Hizarana masomboly sy fitaovam-pambolena ny tantsaha sady hampianarina handraharaha. Mitentina 14,7 tapitrisa UC* ny famatsiambola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Manomboka amin’ity taona ity hatramin’ny 2027.
*1 UC= 5847 Ariary
Njaka A.
Ireo toerana hisitraka ny Picas 1:
Faritra Androy: distrika 4 (Ambovombe, Androy, Bekily, Beloha, Tsihombe)
Faritra Anosy: distrika 3 (Amboasary, Betroka, Taolagnaro)