Taranja Jiu-Jitsu : Ekipa 7 nifaninana tamin’ny Squad Games 

Tontosa afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny lalamby Soarano, ny fifaninanana « Squad Games », taranja Jiu-Jitsu Brésilien. Fifani­na­nana isam-bondrona, nahitana ady miisa 54. Sokajy 3 no nandray anjara. Sokajin’ny « Ankizy » : -8 -10 -12 -14 -16 taona. Sokajy olon-dehibe vao manomboka mifehy ny haiady: -60 -67 -74 -81 -88 +88kg (6 lahy) + 1 open ve­hi­vavy(1). Sokajy olon-dehibe efa manana traikefa : -60 -67 -74 -81 -88 +88kg + 1 open vehivavy (1).
Nohamafisin’ny filohan’ ny federasiona, izay tafatsangana tamin’ny volana janoary fa tafiditra anatin’ny fampivoarana sy fampahafantarana bebe kokoa ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien ny fifaninanana. Hetsika efa ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona isan-taona. Fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara Nach Gi no saika ho natao. Tsy tanteraka anefa noho ny tsy nahazoana ny Lapan’ny fa­natanjahantena Mahama­sina.
Ankoatra izay, hiatrika ny fiadiana ny ho tompon­daka eran-tany, hatao any Abu Dhabi ny federasiona malagasy. Hisy fifaninanana maromaro hatao hanoma­nana izany. Anisan’izany, ny fifaninanana karakarain’ny club101 amin’ny aogositra, arahan’ilay « grappling » karakarain’ny Attila. Ny klioba Attila izay anisan’ny nisongadina indrindra nandritra ny fifaninanana natao tamin’ny sabotsy.
Manodidina ny 500 ny mpiangaly ny taranja Jiu-Jitsu manerana ny Nosy. Mandrafitra ny federasiona ny Klioba 17 avy amin’ny ligy 3 (Analamanga, Vaki­nan­karatra, Atsinanana).

Mi.Raz

Partager sur: