Taorian’ny nandrombahan’ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy, taranja tenisy, ny «Billie Jean King Cup» sokajy XV, fantatra fa hanao «Mondial Davis Cup» ihany koa ny lehilahy. Ny Davis Cup, atao any Kinshasha RDC Congo, manomboka anio ka hatramin’ ny 22 jona ho avy izao. Niainga ny sabotsy lasa teo ny ekipa malagasy.
Notsongaina tamin’ny laharan’izy ireo (ranking) sy ny traikefa ananany ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Ao amin’ny vondrona fahadimy ny ekipa amin’ny fifaninanana. Raha ny vaovao voaray, miakatra ao amin’ny sokajy fahefatra, ireo firenena roa manao famaranana.
Marihina fa ity ekipam-pirenena ihany no hanao ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023).
Fitia (Mpianatra asa)
Lisitr’ireo mpilalao
Razafimahatratra Dina (kapiteny), Rakotomalala Romeo, Raharivony Nicolas, Rasendra Fenosoa, Andriamasilalao Lucas
Ireo firenena mandray anjara : Burundi, Congo, RDC Congo, Djibouti, Ethiopie, Gabon, Lesotho, Madagasikara, Maurice, Seychelles, Soudan, Tanzania, Ouganda