Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, tetsy Andohatapenaka, teny amin’ny Canal olympia, ny sabotsy teo, ny horonantsary Amerikana: “The chosen”, izay nadika tamin’ny fiteny malagasy. Andian-tantara nalaina tao amin’ny baiboly, manasongadina ny fiainan’i Jesoa Kritsy nanomboka teo amin’ ny faha-28 taonany sy niarahany tamin’ny Apostoly 12 lahy. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena, manomboka ny 2 jolay ho avy izao, isaky ny amin’ny 8 ora alina izany. Tanjona ny hahalalan’ny Malagasy ny fitiavana sy ny fangoraham-pon’i Jesoa kristy, amin’ny alalan’ny horonantsary. Nambaran’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry fa: “hetahetanay mivady ny hizara ny tantaran’i Jesoa Kristy ka antony nandikana izany tamin’ny fiteny Malagasy”. Nilaza ny filoha lefitry ny famokarana ny horontsary, Kyle Youngn fa: “anisan’ny tantara malaza eran-tany izy io, ary manana tombondahiny isika eto an-toerana fa afaka hiaina maimaimpoana ny fijerena izany”.
Hosantarina mialoha amin’ ny 25 jona ny fandefasana ny fizarana roa voalohany amin’ izy io. «Hisitraka izany koa ireo toerana lavitry ny renivohitra», hoy ny talen’ny Seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina.
Mino (mpianatra asa)