Usaid- Tetikasa “Rindra” : Kaominina 100 manerana ny Nosy hahazo tombony

Kaominina 100 no misitraka ny tetitasa «  Rindra » ma­nerana ny Nosy, izay tohan’ny Sampandraharaha Ame­ri­kana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid). Mba ho fanamafisana izany, nisy atrikasa telo samihafa, naharitra hateloana ta­ny Analanjirofo. Nandra­kotra ireo distrika telo sy kaominina 14 misy ny tetikasa “Rindra” izany. Ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na ny Pnud no nitarika izany tao Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina ary Soanierana Ivongo. Tanjona ny hanamafisana ny fampitondrana eto Madagasikara. Manginy fotsiny ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy fangaraharahana eo amin’ny sehatrasam-panjakana. Torak’izany ny fampanajana ny zo maha olombelona.
“Manampy ireo ny fametrahana ny fitantanana mi­fantoka amin’ny fahamarinana ka ho andrimpanjakana mampihatra ny tamberin’ andraikitra ho an’ny olom-pirenena, mampivoatra ny demokrasia”, araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny Pnud anivon’ny faritra Analanjirofo, Jean Richard.
Nanomboka ny taona 2021 no teto Madagasikara ny tetikasa “Rindra”. Maharitra dimy taona, hifarana ny taona 2026. Amin’ity taona ity, faritra dimy no hiasany. Anisan’ izany ny faritra Analanjirofo. Mahatratra 100 ny kaominina hisitraka izay hotanterahin’ny Pnud. 14 amin’ ireo avy amin’ny faritra Analanjirofo. Ha­hazo tombony ny distrika telo. Kaominina fito ho an’ny disitrikan’ i Vavatenina. Dimy ao amin’ny distrikan’ i Fenoarivo Atsinanan. Kaominina roa any Soanierana Ivongo.

Sehatrasa telo iasana
Sehatra telo no hiasan’ny tetikasa “Rindra” eny anivon’ny kaominina. Voalohany , fa­metrahana ny zo isam-batan’ olona hisitraka fangaraharahana amin’ny asa ilainy anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Ao anatin’izany ny fitsarana tsy mitanila hatokisan’ny vahoaka, indrindra amin’ny raharahan’ny fananantany. Faharoa, fitantanana sy fidiram-bola mitodika amin’ny fampandrosoana. Fahatelo ny fanamafisana ny fandraisana andraikitra hisitrahan’ny va­hoaka tamberin’andraikitra toy ny fandoavan-ketra…
71 ny kaominina anivon’ny faritra Analanjirofo. 14 amin’ ireo voafantina hisitraka ny tetikasa “Rindra”. “Laha­ram-pahamehana ireo kaominina vonona handray ny tetikasa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny faritra Analanjirofo, Bevazaha Marie Annick. Na­nambara ny ben’ny Tanànan’ ny kaominina ambanivohitra Maromitety, disitrikan’ i Va­vatenina, Dimilahy Del­phin, fa ireo sefo fokontany ankehitriny, no lasa sakana amin’ny fampandrosoana ifotony. “Mi­ha­langalana amin’ny tetikasa fampandrosoana, izy ireo, noho ny firehana politika”, hoy izy. “Ho an’i Soanierana Ivongo, ny solombavambahoaka mihitsy no sakana  amin’ny fampandrosoana satria izy mihitsy no misakana ireo tompon-tsambo sy mpivarotra handoa hetra”, hoy ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Sajo

Partager sur: