Fanamafisana ny fampitondrana eto Madagasikara. Fametrahana ny tany tan-dalàna sy seha-panjakana mangarahara. Fanajana ny zon’olombelona. Fitantanana mifantoka amin’ny fahamarinana mba ho andrimpanjakana mampihatra ny tamberin’andrakitra ho an’ny olom-pirenena mampivoatra ny demokrasia. Ireo ny voalaza fa sehatra hiasan’ny tetikasa Rindra nandritra ny atrikasa natao, nandritra ny telo andro tao amin’ny faritra Analanjiro. Handrakotra distrika telo sy kaominana 100 ao amin’ny faritra ity tetikasa ity ka haharitra dimy taona ny fotoam-piasany. Nanomboka ny taona 2021 ka hifarana ny taona 2026. Tetikasa fampandrosoana tohanan’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tanterahina eto Madagasiakara ny tetikasa Rindra. Ankilan’izay, hentitra ny sekretera jeneralin’ny faritra Analanjirofo nandritra ny atrikasa natao. Nambarany fa natao ho an’ny vahoaka sy ho lovan’ny taranaka ny tetikasa. Nilaza kosa i Dimilahy Delphin, ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Maromitety, distrikan’i Vavatenina fa sakana amin’ny fampandrosoana ifotony ireo sefo fokontany.
Sajo