Banky foiben’i Madagasikara : volamena 1 080 kilao navadika hanan-danja ara-bola

Naseho, omaly, teny Antaninarenina, ny vola volamena 50 Ar, entina hanamarihana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Naseho nandritra ny hetsika ihany koa ny birikim-bolamena malagasy voalohany milanja 12.5 kilao namboarina tany Istanbul.

Vita ny famadihana ny volamena voadio (or doré) novidin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho lasa hanan-danja ara-bola (or monétaire). Ma­nana ny kalitao sy manaraka ny fepetra takin’ny fenitra iraisam-pirenena voafaritry ny London Bullion Market Association (LBMA) ity volamena manan-danja ara-bola ity. Milanja 1 080 kilao ny volamena nalefa tany Istanbul hodiovina ary tsy niova ny lanjany rehefa tafaverina eto Madagasikara. Milanja 12.5kg kosa ny birikim-bolamena (lingot d’or). “Tahiry ato amin’ny Banky foiben’i Madagasikara efa ela no nanaovana an’ireo vola volamena 50 Ar ireo. Ireo birikim-bolamena kosa avy amin’ireo volamena nangonina nandritra ny roa taona. Tanjona ny hahazo 4 taonina amin’izany”, hoy ny fanazavan’ Andria­narivelo, governoran’ny BFM. Napetraka tokoa ny tahirim-bolamena (reserve d’or nationale) ka volamena 4 taonina isan-taona no ho tehirizina ao mba hananan’i Ma­dagasikara tahirim-bolamena 40 taonina afaka 10 taona, hoy kosa ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, nandritra ny lahateniny. Namadika ireo volamena ho birikim-bolamena i Istanbul Gold Refinery (IGR), laharana faharoa ma­neran-tany io orinasa io noho izy haingam-piasa sy mahavita izany ao anatin’ny fotoana fohy. Vita tao anatin’ny iray volana ny birikim-bolamena malagasy voalohany, manan-danja sy manaraka ny fenitra takin’ny tsena iraisam-pirenena.

Tanjaka

Naseho, omaly, ireo vola volamena 50 Ar, 500 isa andrana. Hatonta tsy ho ela kosa ny andiany voalohany miisa 5 000 sy ny andiany manaraka. Ho faritana aorian’izay ny vidin’ity vola volamena ity. “Reharehantsika ny fananana vola volamena”, hoy hatrany ny governoran’ny BFM. Mariky ny tanjaky ny firenena ny fananana tahirim-bolamena. Tafiditra anatin’ny politikam-panjakana rahateo ny fametrahana izany eo anivon’ny BFM. Manana anjara toerana lehibe eto amin’ny tany sy ny firenena ny BFM. Mitandro ny fahamarinan-toeran’ny Ariary sy ny tanjany izy ary ny rafitra ara-bola. Mbola manohana ny politikam-panjakana ara-toekaren’ny governemanta ihany koa.

Henintsoa Hani

Partager sur: