Hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina miisa 515 081 manerana ny Nosy, anio tontolo andro. Efa vonona ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana handraisana azy ireo eny amin’ny foibem-panadinana. Momba ny lamina, tsy afaka miditra amin’ny foibem-panadinana ireo mpanaraka ary olona iray ihany no manatitra ny sakafo atoandro hitandroana ny filaminana. Ampy hitsinjara amin’ny efitrano fanadinana ny mpanara-maso sy ny mpandraharaha mpandray an-tsoratra. Tsy tokony hanadino ny karatra maha mpianatra sy ny taratasy fiantsoana ny tsirairay ary adidin’ny ray aman-dreny no manamarina izany mialoha ny hiaingana ao an-trano.
Amin’ny 7 ora sy sasany ny fiantsoana ny anaran’ny mpiadina, antsasakadiny aorian’izay no manomboka ny fiatrehana ny fanadinana. Misantatra azy ny taranja kajy sy laza olana hatramin’ny 9 ora sy 25 minitra. Manaraka ny Science de la vie et de la terre ary ny TFM no mamarana ny tapany maraina. Ny hariva, Malagasy sy ny Français ary ny jeografia no hosedrain’ny mpiadina. 6 taona ny zandriny indrindra amin’ny mpiadina raha 70 taona ny zokiolona hiatrika ny CEPE.
Vonjy