«Hay moa efa nisy fotoana nahavoa mafy ity feoko ity, satria tsy nampiasaiko loatra. Tsy dia nihira intsony aho. Dia teo vao tsaroako, fa hay moa tsy azo ny mandevin-talenta nomen’Andriamanitra ?», hoy i Fanja Andriamantena, tao anatin’ny pejy ifaneraserany amin’ny mpankafy ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Mazava loatra ny dikany fa hisy ny fiakarana an-tsehatra hataon’ity mpanakanto andrarezina ity ato ho ato.
“60 taona ny mozikako”, hoy ny tohiny… Hafaliana ho an’ny mpankafy, rehefa navoakan’i Fanja Andriamantena fa hotontosaina ny 9 jolay izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io seho io. Fotoan-dehibe tokoa, tsy ho an’ny mpankafy ihany, fa ho azy sy ireo mpanakanto nasainy indrindra indrindra.
Tia mifanakalo sy miara-miasa amina mpanakanto namany hatramin’zay fotoana nilomanosany tao anaty mozika izay i Fanja Andriamanantena. Amin’ity indray mitoraka ity, nanasa ireo zandry sy zanaka anaty mozika izy, toa an-dry Silo, Monika Njava, Luk, Davis Franklin, Nanie, Lalie, Farakely, Arison Vonjy, Bim ary Yrinaf. Hitrotro ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena kosa ireo mpitendry manan-talenta toa an-dry Samy Andriamanoro, Tsara, Titan, Josia, Fetra ary Miantsa.
Zo ny Aina