Fetim-pirenena : hamafisina ny fandriampahalemana any Toamasina

Mikarakara hetsika ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria foibe, Toa­masina, amin’izao. Mba ha­nomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy hanakaikezena ny vahoaka. Tan­jona ny hanamafisana ny fandriampahalemana sy ha­nentanana ny olom-pirenena hanangan-tsaina eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Misy ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany, toerana be olona ary ireo faritra mafana (Mo­rarano, Ambalakisoa, Ambo­loma­dini­ka sy ao Tanambao I-II ary Tanamborizano). Hito­­hy amin’ny toeran-kafa, izay tantanin’ny Kaomisaria boriborintany voalohany Ta­nam­bao II, ny Kaomisaria boriborintany faharoa Man­ga­­rano, ny UIR ary ny CUI izany. Ahitana tranoheva, hanorona hevitra ireo iharan’ny herisetra ao amin’ny esplanade. Mi­andraikitra izany ny Brigade féminine de proximité. “Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpo­nina sy ny polisy ka nifampizarana ma­hakasika ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny”, hoy ny lehiben’ny kaomisaria foibe any Toa­masina, Rako­ton­drainivo­nona Panoël Tsiky. Nandini­hana ny endrika fandikan-dalàna miseho matetika mandritra ny fisafoana ary nizarana ny laharana ahazoana ny polisy.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: