Finday hosoka : mpisoloky saron’ny zandary

Mivarotra hosoka, tra-tehaky ny zandary tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, etsy Mahazo, ny lehilahy iray, afakomaly. Mandresy lahatra ny mpividy hanjifa ny telefaonina eo aminy izy. Rehefa raikitra ny fifampivarotana, havadiny zavatra hafa ny finday anaty baoritra. Soloiny tranony fotsiny ilay finday tena izy. Lasa lavitra ny mpividy vao tonga saina. Tsy hita intsony anefa ilay mpisoloky rehefa jerena eo amin’ny toerana nanaovany ny varotra. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Nisy ny fikarohana, tra-tehaka ilay lehilahy. Nahatrarana finday efatra teny aminy niaraka tamin’ny “sachet” mainty maromaro. Atao fanadihadiana, atolotra fampanoavana tsy ho ela ity mpisoloky ity.

Tsiferana R.

Partager sur: