Nilatsaka ho 735 920kg ny vokatra kafe ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, tamin’ity taona ity. Nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taona 2021 izay nahatratra 1 995 484kg. Antony nahatonga izany ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy ny fanazavan’ny talem-parity ny Fampiroboroboana ny indostria, varotra sy ny fanjifana ao Atsimo Atsinanana. Manodidina ny 10 000Ar ka hatramin’ny 11 000Ar vidin’ny 1 kilao. Tsiahivina fa nisokatra ny alakamisy teo ny taom-piotazana sy famarotana kafe any an-toerana. Napetraky ny tomponandraikitra mazava tsara ireo fepetra samihafa tsy maintsy hajain’ny mpisehatra. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy maintsy hananan’ireo mpandraharaha mpanangom-bokatra ny taratasy ara-dalàna. Tsy maintsy hamarinina ihany koa ireo fitaovam-pandanjana ampiasana mba ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Nilaza ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana Atsimo Atsinanana fa tsy maintsy hamarinina ny kalitaon’ny vokatra kafe mba tsy hifangaro amin’ny vokatra hafa. Izany hoe, handalo any amin’ny sampandraharaha manokana ireo vokatra miala ny faritra.
Henintsoa H.