Vaky nisy dian’antsy mihitsy ny lohan’ilay ankizy 9 taona iray nokapain’ny jiolahy ny antsy teo am-pandriana, tao Toamasina.
Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy efatra nitondra fitaovam-piadiana tao Analankininina Hopitalibe Toamasina, parisela 12/21-22, ny herinandro teo. Niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy ka niditra tao an’efitrano fandrian’ireo olon-dehibe. Nanambana basy sy antsy sady nandray ilay ankizy natory teo am-pandriana. Nokapain’izy ireo ny antsy ny lohany mba hampihorohoroana ny iray trano hanome vola sy ny entana sarobidy rehetra. Manoloana izany, nanaiky mora foana hanome izay notadiviany ireo niharam-boina. Torana tsy nahatsiaro tena ity ankizy niharam-boina ity ka nentina namonjy hopitaly.
Tsy sahy mitory ireo niharam-boina…
Tato anatin’ny herinandro izay, nandrenesana trangana fidirana an-keriny maromaro tao amin’ity fokontany ity. Ireo akoho amam-borona no tena mitondra faisana, miampy ny hala-boty toy ny lamba maloto milona rano, ny bidao maro sy izay rehetra azo robaina. Eo koa ny halatra fitaovan-dakozia, tena mirongatra mihitsy. Voalazan’ireo nijoro vavolombelona fa very hatramin’ny zanak’alika. Miova indray, araka izany, ny fomba fiadian’ireo jiolahy satria ny zanaky ny tompon-trano indray no ratrain’izy ireo mba hanaiky mora foana ny ray aman-dreniny. Olana ny tsy fahasahian’ireo niharam-boina mametraka fitoriana eny amin’ny biraon’ny polisy sy/na zandary noho ny tahotra ny valifatin’ireo jiolahy. Na eo aza anefa izany, miezaka ihany ny mpitandro filaminana manao fanangonam-baovao amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Tsetsatsetsa tsy aritra anefa no ilazana fa ahitana mpitandro filaminana (zandary, polisy, Tafika) ao amin’ity fokontany tafiditra ho faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana ity.
Sajo/J.C