Mihaingo ambony tsikoko !

Amin’ny ankapobeny, nanakoako ery ilay fanokafana indray ilay Rovan’i Madagasikara. Nanohina kely ny fo ny fahitana fa tafarina ilay izy 28 taona aty aoriana. Mirehareha tsy misy toa azy ny fitondram-panjakana fa nahatanteraka Velirano iray hafa. Iza tokoa moa no tsy nahare fa fanamby nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana ny Rova? Vita izy io, azon’ny besini­maro tsidihina.
Manoloana izany anefa, maro ny kiana sy fomba fijery hafa izay tsy mifanaraka amin’ny fanjakana. Betsaka amin’ny olona mpandala ny tena maha Malagasy azy no tsy faly. Misy ny sadaikatra noho ny fanavaozana natao andaniny. Mainka ny fizotry ny lanonana ankilany. Heverin’ny sasany ho fihantsiana amin’ny hasin’ny andriana izany. Sokajian’ny hafa ho fanariana ilay maha Malagasy sy ny tantarany. Toy ny mahazatra, mivadika ho fifandroritana lavareny, avy eo manjavona ho azy.
Tokony ho nampiray ny Malagasy ny fahavitan’ny Rova. Ha­tramin’izao anefa, mbola mitarika ady hevitra sy fijery mifano­hitra izany. Ny tena zava-doza, mampivoaka indray ny resa-pirazanana sy foko. Anatin’ny fiarahamonina marefo i Madaga­sikara. Marisarisa ny firaisam-pirenena noho ny fanaovana poli­tika maloto. Matetika anefa izay hetsika miseho, mitady hanome vahana izany hatrany. Sanatrian’ny vava tsy volo mpanoha randrana, na mpanakiana be fahatany, fa matetika misy ny amboletra sy ny tery vaimanta ataon’ny manampahefana.
Raha mahakasika ny rova, tsy voatery ho hita izay fiomanana sy fikirakirana tany ambadika rehetra tany. Tsy voatery koa ny mpitondra fanjakana hamboraka izay heviny. Amin’ny maha marika sy famantatrana iray an’i Madagasikara ny rova kosa, Dia rariny sy hitsiny raha nomem-boninahitra manokana ny olom-pirenena rehetra. Toa zary fetin’ny mpitondra samy irery ilay izy.
Milaza fa tia tanindrazana ka miantso firaisankina sy fifankatiavana ny mpitondra. Mpitari-bato vilam-bava ihany anefa. Izy ireny no manavakavaka sy manilika ny hafa rehefa lanonana na Lazaina fa ampisehoana ny maha Malagasy . Asa, mety firaisankin’ny mpiara-mihinana sy mitantana angaha ?
Hetsika goavana, tena manana ny maha izy azy ny fanokafana indray ny Rovan’i Madagasikara. Mendrika doka ny fitondram-panjakana nahavita. Rariny raha torahana voninkazo, saingy tena mivoy ilay fitiavan-tanindrazana sy fanomezan-kasina an’i Madagasikara ve sa misy kajikajy sadasada ka mainka handetika ity sambobentsika, efa miha difotra ity ?
Anjaran’ny Malagasy tsirairay no maka izay manandrify azy na « werawera »ka mihaingo ambony tsikoko, na tena mitia amin-kitsipo ilay Madagasikara ka vonona hitondra ny anjara birikiny tsy misy kajy ambadika ?

r.r

Partager sur: