Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena, ankehitriny, maro ny tanora miezaka mioitra amin’ny fiainana. Mitady ny fomba rehetra, mikiry mba hialana amin’ny krizy mianjady isan-tokantrano. Anisan’ireny ny filohan’ny Antoko politika, Vondrona Miaro ny Fitondrana (VMF) sady tale jeneralin’ny orinasa Ramanandraibe II. Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny Covid-19 sy ny olana toekarena maneran-tany izy no nanangana orinasa maro. Anisan’ireny ny kaoperativam-pitaterana an-dranomasina Falson I. “Tanjona ny mametraka zavatra tsara ho an’ny firenena sy ny tanora mitovy amin’ny tena. Mizara onja miabo ho an’ny mpiara-belona. Mipetraka ho tanora mpitarika sy ho fakan-tahaka ho an’ny hafa”, hoy izy.
Nanomboka tamin’ny asa an-tselika izy. Anisan’ ireny ny fakana sary. Asa izay tiany sy nifotorany an-taona maro. Niova sy nivoatra tsikelikely izany, ka efa manana radio tsy miankina iray izy amin’izao fotoana izao, any Farafangana. “Mivelatra amin’ny lafin-javatra maro ny fandraharahana ataoko saingy manome lanja ny vokatra eto an-toerana ihany koa. Manginy fotsiny ny tontolon’ny fitaterana izay anisan’ny tena ilain’ny mponina any ifotony”, hoy hatrany izy.
Eo amin’ny tontolon’ny politika, mbola miara-dalana amin’ny filoham-pirenena, ankehitriny, izy. Ny fikambanana Tanora Mijoro ho an’i Madagasikara (TMM) no nahalalana azy hatrizay. “Manentana ny tanora aho mba ho sahy handingana ny sakana. Mila tanora manana fanamby ny firenena”, hoy izy namarana ny resaka. Nanamarika ny faha-32 taona nahaterahany, omaly, ity tanora mpandraharaha, mpanao politika avy ao Farafangana ity.
Randria