Saika hamatsiana kaominina maro… : sprinter nahatrarana rongony tamina gony

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny varotra rongony. Tompon’ an­toka tamin’ny fitondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko tamina fiara Sprinter iray, tao Farafangana. Voa­sambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Fa­rafangana izy ireo.
Efa malaza amin’iny distrikan’i Farafangana iny ny fisiana olona mitondra rongony hamatsiana kaominina maro ao an-toerana. Niainga avy amina angom-baovao voarain’ny polisy no nahafahana nisambotra azy ireo. Taorian’ny fanadihadiana, fantatra fa misy fiara Sprinter iray mijanona teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny iray. Tratra ny rongony efatra gony. Fan­tatra taorian’ny fanadihadiana fa olona mipetraka ao Manasoa, distrikan’i Van­gaindrano no hakana ireto zava-mahadomelina ireto.

J.C

Partager sur: