Tontosa ny fanadinana : hamoaka mpampianatra fito ny Valiha Académie

Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy am­bony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Acadé­mie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny mpianatra teny an-toerana ny fahaizana mifehy ny solfezy sy ny fitendrena valiha. No­ma­rihin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana fa ankoatra ny fitendrena, efa niroso tamin’ny dingan’ny fikarohana izy 7 mianadahy ireto.

Raha tsiahivina, ankoatra ny fianarana ny solfezy, ny fitendrena valiha, anisan’ny omen’ity foibe ity lanja lehibe ihany koa ny fampahafantarana ny fomba amam-panao mifandraika amin’ny valiha. Ny fifamatoran’ny valiha ami­na kolontsaina malagasy hafa, sns. Anisan’ny olana lalovan’ny fampianarana valiha eto Madagasikara ny mbo­la tsy fahafantaran’ny Mala­gasy io zavamaneno io, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Valiha Académie hatrany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: