Ambohijatovo : jiolahy tratra teo am-panendahana

Hatolotra ny fampanoavana ity jiolahy tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ity. Tratra teo am-panendahana olona iray teny Ambohijatovo izy, afakomaly alina. Olona sendra nody alina no nifanehatra tamin’ilay jiolahy ka nendahiny. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny polisy nanao fisafoana iny faritra iny anefa no nahatrarana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Nikasa handositra izy saingy tsy afa-nihetsika intsony. Hita tany aminy, nandritra ny fisavan’ny polisy, ny antsy maranitra fampiasany rehefa manendaka. Entiny hampihorohoroana ireo olona anaovany ny asa ratsiny koa izany, araka ny filazany. Nentina anaovana famotorana any amin’ny polisy izy.

J.C

Partager sur: