Dinika faharoa momba ny fifidianana : hamaly ny tsikeran’ny mpanao politika ny Ceni

Hamaly ny hetaheta sy ny ahiahin’ny maro. Hiditra amin’ ny andiany faharoa ny dinika karakarain’ny Ceni, hanasany ireo mpisehatra politika rehetra sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpi­ara-miombona antoka. Hotan­terahina rahampitso izany fihaonana izany. “Miezaka hatrany izahay maneho ny fahavonona hanatontosa fifidianana madio sy mangarahara”, hoy ny avy amin’ny Ceni. Hitondra ny valin’ireo tsikera na fanamarihana na koa fitakiana nivoitra tamin’ ny dinika andiany voalohany, natao ny marsa teo, ny eo anivon’ny birao foibe, eny Ala­robia. Mivonona amin’izany ny Ceni, ary tsy miala vehana amin’ny mety ho fanakianana, araka ny fanambarana hatrany.

Fanomezan-kasina ny zon’ny olom-pirenena

Anisan’ny hitondran’izy ireo fanazavana ny ambaran’ ny antoko politika sasany ny amin’ny tsy fanajana ny lalàna momba ny fanavaozana tan­teraka ny lisi-pifidianana.
Efa nohazavain’izy ireo fa fanomezan-kasina ny zon’ny olom-pirenena hanamarina sy hangataka fanitsiana raha misy diso ilay 20 andro, ni­ainga amin’ny fanapahan’ny Ceni.
Tokony hazava koa ny fihetsiky ny mpiara-miombona antoka momba ny vola ho amin’ny fifidianana raha tena vonona ny hanohana sy ha­nampy izy ireo. Nomena ny FES sy ny fiarahamonim-pirenena anefa izany.

Ny fitsirihana ny rindram-baiko…

Araka izany, betsaka ny fanontaniana sy tsikera samihafa tao anatin’ny telo volana tsy nihaonan’izy ireo.
Anisan’ izany ny momba ny fitsirihana ny lisitra sy ny rindram-baikon’ny Ceni, efa nanaovan’ny manampahaizana samihafa tombana sy fitiliana. Ny dingana vita teo amin’ny fanavaozana tanteraka momba ny lisi-pifidianana… Andrasana ny mety ho vokatry ny fihaonana andiany faharoa eo amin’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ireo

Synèse R.

Partager sur: