Fahasalamana : nahazo fitaovana fandidiana ny CUA

Nisitraka fitaovana ara-medikaly, na “Petite Chirur­gie”, tamin’ny malala-tanana avy any Suisse ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Natolotra ny departemanta misahana ny sosialy sy ny fahasalamana, afakomaly, izany. “Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana eny anivon’ny CSBII iandraiketan’ny kaominina ny fitaovana vaovao”, hoy ny talen’ny departemanta eo anivon’ny CUA, Raharinandrasana Hajatiana.
Mifanaraka indrindra amin’ny fitomboan’ny mpiasa ao amin’ny departementa izao fahatongavan’ny fitaovana izao. Fitaovana izay hampiasaina amin’ny fanatanterahana ny famorana faobe, karakarain’ny CUA manerana ny boriborintany enina rahateo.

Tatiana A

Partager sur: