Fandehanana mafy : telo mianadahy maty tsy tra-drano tetsy Ankorahotra

Telo mianadahy niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankorahotra-Tsiadana, afakomaly alina. Nirimorimo, nifatratra avy hatrany tamin’ny andrin-jiro ilay fiara Mazda.

Nitrongy andrin-jiro tetsy Ankorahotra ny fiara iray mpitatitra mpiasa, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 25 minitra. “Avy any amin’ny lalan’i Tsiadana io fiara io. Namantana avy ha­trany tamin’ireo andrin-jiro”, hoy i Tsilavo Herimampia­nina, iray tamin’ireo nanatri-maso ny loza. Niforitra avy hatrany ny lohan’ny fiara. “Miisa fito ireo tao anatin’ny fiara ka zazalahy mbola tsy ampy taona ny iray”, araka ny fanamafisan’ilay nanatri-maso. Namoy ny ainy teo no ho eo ny roa lahy izay samy mbola tanora vao erotrerony. Naratra mafy tapa-tongotra sy voa teo amin’ny lohany ny ve­hivavy iray. Minitra vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga nijery ny zava-nisy ny polisy. “Nezahana novonjena teny amin’ny HJRA io iray io saingy tsy tana ny ainy”, hoy hatrany i Tsilavo. Naratra mafy ny telo hafa raha toa ka tsy nisy na­hiana kosa ilay tovolahikely.

Tsy nahatsiaro tena ny mpamily
Anisan’ireo telo tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA koa ilay mpamily ny fiara. “Mbola tsy nahatsiaro tena io mpamily io tamin’ny fotoana nandalovan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny sampandraha­raha misahana ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina. Fandehanana mafy hatramin’izao no fantatra fa niteraka ny loza. “Tsy mbola afaka nanokatra fanadihadiana ny polisy raha tsy miverina amin’ny fahasalamany ilay mpamily”, hoy ny fanazavany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Mari­hina, nitrangana lozam-pifamoivoizana vokatry ny fandehanana mafy koa teny amin’ ny lalan’i Tsarasaotra, ny fa­ran’ny herinandro teo.

Tsiferana R.

Partager sur: