“Festival Donabe” : homena lanja ny haikanto

Tontosaina any Antsohihy, manomboka ny 21 hatramin’ ny 23 jolay 2023, ny « Festi­val Donabe » andiany voalohany. Ny mpanakanto Dadi love, miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka aminy sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any an-toerana no mikarakara izao hetsika lehibe izao. Seho ara-kolontsaina sy fifaninanana maro no hameno izany fotoana hanaovana ny hetsika izany. Tanjon’ny “Fes­tival Donabe” ny hampiroborobo ny kolontsaina, indrindra ny haikanto, sy ny toekarena avy amin’iny faritra iny.
Hetsika ara-javakanto maroloko no ho hita mandritra ny “Festival Donabe”. Hason­gadina manokana ny mozika tropikaly ao anatin’izany. Diabe maneho ny maha izy azy ny faritra, fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto maro samihafa no ho hita mandritra ny hetsika. Hana­fana izany i Dadi Love, Ceasar, Tianjama, Fandrama, Wendy Cathalina, Mirasoa, Vilon’ Androy sy ireo mpanakanto vao misandratra avy ao An­tsohihy sy ny manodidina.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: