Fihariana jirofo : 40 000t naondran’i Magadasikara

Fahombiazana tanteraka ny seha-pihariana jirofo tamin’ity taona ity. Tafakatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha 25 000t talohan’io. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ity vokatra ity. « Mita­na ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana jirofo ny firenena malagasy raha faharoa isika amin’ny famokarana aorian’i Indonezia », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, teny amin’ny Lapan’Anosikely. Ankilan’ izay, laharana voalohany iha­ny koa isika amin’ny kalitaon’ny “cacao fin 100% aromatisé”. Nahazo medaly volamena iray sy medaly roa tamin’ny fifaninanana natao tany Londres isika. Tsiahivina fa natao ny 12 sy 13 jona lasa teo ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny kakao tsara indrindra. Tonga eto an-toerana, tamin’izany, ireo manam-pahaizana 12 maneran-tany momba izany. Tao ihany koa ireo solontenan’ireo firenena mpisehatra amin’izany. An­koatra izay, mihatra ny fepetra fanalalahana amin’ny fanondranana lavanila mankany ivelany. Izany hoe, tsy voafetra ny vidiny farany ambany saingy ilaina ny fitsinjovana ny tantsaha mpamokatra.

Henintsoa H.

Partager sur: