Miroso ny asa, efa tonga ny “cabine” ho an’ny teleferika, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, omaly. Nanome toky izy ireo fa efa am-perinasa ny teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy.
Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard. Niara-dalana taminy ny teknisianina. Nidina ifotony niaraka taminy ny tale jeneralin’ny orinasa vaventy miandraikitra ny fanatanterahana izany.
Eo Anosy no misy gara iray. Efa mipetraka ny fototry ny andry lehibe roa, mivoaka ny toeram-piantsonana sy ny eo amin’ny zaridainan’Ampefiloha. Efa eto an-toerana ny santionan’ireo “cabine” hampiasaina eto Madagasikara. Fitaovam-pitaterana manaraka ny fenitra rehetra takin’ny fitaterana an-tariby. Misy ny ivezivezen’ny rivotra ambony sy ambany ka tsy manempotra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ny “cabine” rehetra. Hatoby ao amin’ny garazy ho an’ny zotra volomboasary sy maitso. Hisy ny hitoby any amin’ny la City.
“Tsy afa-miala amin’ny fanitarana sy ny fitaterana manaja ny tontolo iainana isika”, hoy hatrany ny sekreteram-panjakana, Andriamanohisoa Gérard. “Tsy mila mandrava trano, tsy manala taxi-be… kanefa afaka manitatra fitaterana. Hanampy betsaka ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny fisian’ny teleferika sy ny lamasinina an-tanàn-dehibe”, hoy hatrany izy.
Mijery ny maha olona koa ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fanitarana ny fifamoivoizana. Efa amboarina ny kioska miisa 125 eo amin’ny Petite Vitesse. Toerana hasiana ireo mpivarotra, eo alohan’ny gara Soarano izay manamorona ny andry.
Tatiana A