Nitondra valy bontana ireo nanely resaka anaty tambajotran-tserasera ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary (Seg), ny Jly Serge Gellé, omaly. Voizina amin’izany ny fanentanana ny amin’ny tsy tokony handehanan’ny Foloalindahy hanao matso miaraka amin’ny filohan’ny Repoblika. “Hajaina ny fanehoan-kevitr’izy ireo ary malalaka amin’ny heviny saingy am-panetrentena sy am-pitoniana no itondrako ny teninay telo lahy: minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny Filaminana anatiny fa tsy maintsy hisy ny matso ny 26 jona, manerana ny Nosy”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’izany ny etsy Mahamasina sy ny any amin’ny faritra rehetra. Filoha lehibe faratampon’ny Foloalindahy ny filohan’ny Repoblika ary manaraka ny baikony izahay, araka ny nambarany. “Tsy mandositra any andafy aho raha enjehina amin’izany fa any Moramanga na any Fenoarivo Atsinanana”, hoy hatrany ny Seg.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpikamban’ny governemanta namaly ny fanontanian’ireo loholona tetsy Anosikely ny tenany. Nitondrany fanazavana ny hametrahana toby miaramila any Morarano Crôme. Ny hitohizan’ny hetsika “Opération harato”, natao tany Toamasina. Eo koa ny fanatevenana ny mpitandro filaminana amin’iny lalana RN4 iny, manoloana ny fanafihan-jiolahy.
Synèse R.