Kidnapping : renim-pianakaviana maty tany amin’ireo jiolahy

Maty teny am-pelatanan’ireo dahalo ny ramatoa iray rehefa avy nalaina an-keriny. Afakomaly no nitrangan’izany tao Morarano Ivakaka, distrikan’Amparafaravola…

Namoy ny ainy tampoka vokatry ny tranga fa­kana an-keriny azy ny renim-pianakaviana iray. Tao Morarano Ivakaka, distrikan’ Amparafaravola no nisehoan’izany ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 20 jona. Na­laina mpaka an-keriny tamin’ ny 8 ora alina ilay lasibatra. Nentin’izy ireo nandositra. Nanara-dia ny fokonolona. “Hita faty tany amin’ny ta­nàna Vohidiala barazy, fokontany Antsakoana, kaominina ambanivohitra Amparafara­vola, 10 km mahery miala ny toerana nangalana azy io renim-pianakaviana io”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary ao an-toerana.

Natao ny fitsirihana ny razana, tsy nahitana ratra na iray aza tamin’ny tenan’ity namoy ny ainy ity. Maty vo­katry ny fijanonan’ny fo tampoka izy, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy hita popoka kosa ireo mpaka an-keriny. Mitohy ny fikarohana sy ny fanarahan-dia azy ireo. Natolotra ny fianakaviany
ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa 46 taona.

Jean Claude

Partager sur: