Nifarana, omaly, ny telo andro fankalazana ny fomban-drazana antsoina hoe “Fandroana”. Notanterahina tao amin’ny fokontany Nameha, kaominina Ambahive, distrika Manakara ny ivony. Anton’ny hetsika ny fahavitan’ny mosary sy ny fahasahiranana satria miakatra ny voka-bary sy ireo fambolena maro samihafa. Maro ny hetsika nataon’izy ireo nandritra ny fankalazana. Nanatanteraka joro sy fifanekena tao amin’ny renirano any Ambahive, noho izany, ireo mponina. Mba hialana amin’ ireo ratsy fanao sy fikasana tsy hanao izany intsony. “Natao ny fandroana narahina tsitsika sy joro tao amin’ny reniranon’Ambahive”, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, niara-nisotro sy nihinana tao amin’ny tranobe isan-tsokajiny tany amin’ny fokontany Nameha ireo vahoaka, narahin’ny fitetezana tokantrano tsirairay sy fanomezana vary masaka azy ireo. Anisan’ ny nanafana ny hetsika ny talem-paritry ny Fanajariana ny tany any amin’ny faritra Fitovinany.
Mino (mpianatra asa)