Efitra roa hotohoton’ny afo tao Nahamora atsimo, distrikan’i Morondava, omaly atoandro. May tamin’izany ny boky fianaran’ny mpianatra. « Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny firehetana », hoy ny fanazavan’ny polisy misahana ny fanadihadiana ao an-toerana. Nalaky nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ireo manodidina. Kila tanteraka tamin’ity fahamaizana ity ny kilasy T5. Tsy nisy mpianatra tao amin’ny trano sekoly tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Sekoly tsy miankina ao an-toerana ity niharan-doza ity. Efa miditra an-tsehatra amin’ny famotorana ny raharaha ny polisy.
Tsiferana R.