Praiminisitra Ntsay Christian : “Aoka isika ho tony sy tsy hikorontana”

Namarana ny fifanatre­han’ny loholona sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, tetsy Anosikely, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra napetrany tamin’izany.
“Fotoana hanatanterahana fifidianana izao. Mila fitoniana ny firenena ka mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra izany. Tsy ahitantsika tombontsoa ny korontana noho ny tsy fifankahazoana hevitra politika”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa mitovy amintsika ihany ny filohan’ny Repoblika amin’ny fitiavan-tanindrazana ananany. Ma-meno ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny izany hananan­tsika ho avy mamiratra izany. Notebahin’ny Praiminisitra ho kilalao maloto kosa ary helohiny amin’ny heriny rehetra ny adihevitra tsy mahasoa ny firenena… Natsidiny fa ho avy ny fifidianana ka omena safidy malalaka ny rehetra amin’ny hitondra ny firenena, anatin’ ny 5 taona manaraka.
Etsy andaniny, notanisainy ny ampahan’ny ezaka vitan’ny fanjakana tao anatin’ny efa-taona amin’ny fanatanterahana ny Fandaharanasa ankapoben’ ny governemanta (PGE). Be­tsaka ny asa vita. Teo ny fanavaozana ny lalàna, ny ezaka hampandehanana ny fiainam-pirenena, ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka ary ny fampanakaikezana ny fahefam-panjakana eny ifotony.
Niaiky kosa anefa ny tenany fa tsy tomombana ny nokasaina noho ny krizin’ny Covid sy ny rivodoza ary koa ny ady any Ukraine. “Noraisintsika ny fepetra hanarenana izany na sarotra aza ny fiantrai­kany… Hohatevenina ny fa­nampiana ireo mponina marefo hahazoany tombontsoa avy amin’ny fitondrana”, hoy ihany izy. Hotohizana ny ezaka amin’ny fanorenana fotodrafitrasa hanatrarana ny fahatarana. Hatsaraina sy havaozina ny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, ahafahana misitraka vola hanatanterahana ny asa manerana ny Nosy.

Tsy vita anatin’ny fotoana fohy…

Ankoatra izany, notsipihin’ ny Praiminisitra fa tsy resaka am-bava fotsiny ny fitsinjaram-pahefana. Tanterahina amin’ny alalan’ny asa izany. Eo ny nanomezana tetibola ny eny anivon’ny faritra, araka ny nambarany.
Nisaorany ny vahoaka noho ny fitoniana sy ny famaliana ny ezaka natao nanampy ny fitondrana nahafahana nanatanteraka ny zotram-pampandrosoana. Tsy vita anatin’ny fohy, roa na dimy taona ny fanovana lehibe eto amin’ny firenena ka nitakin’ny lehiben’ny governemanta ny fahavononan’ny rehetra sy ny hanamafisana ny ezaka rehetra. “Ahafahantsika mamaha ny olana sy mitondra fampandrosoana ny firenena izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: