Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, manana tetikasa koa izy amin’ny maha tompon’andraikitra amin’ny sehatry ny sosialy (RSE). Manao hetsika fanampiana sy tolo-tanana amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena sady fiatombohan’ny vanim-potoana ririnina izao. Nizarana lamba firakotra mafana, bodofotsy, maimaimpoana ny fianakaviana sahirana eny amin’ny fokontany miisa 10 eto Antananarivo, niarahan’ny Star sy ny Consulat de Monaco. Ahitana reny miahy tena, mananon-tena, olona marefo manana zanaka latsaky ny 5 taona ireo fianakaviana ireo. Niantohan’ny Star manontolo ny hetsika fizarana ny bodofotsy, ary ny Consulat de Monaco no nanome izany isaky ny fokontany. Nitarika ny fizarana ireo fanomezana ny talen’ny serasera ao amin’ny Star, Rtoa Randriambolamanana Seheno.
Hisitraka fanomezana koa ny toerana rehetra ahitana ozinina Star sy ny masoivohony. Manampy izany, hahazo fanomezana koa ny fianakaviana miisa 70 namaly ny fepetra voafaritra isaky ny toerana misy fiasàn’ny Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny orinasa ny hetsika.
Njaka A.
Ireo fokontany 10 : Ambohimanandray, Ankorondrano Andrefana, Ambodiakondro, Ambohibao Iavoloha, Analakely, Ambodifiakarana, Andranonahoatra, Itaosy, Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana