Tsena iraisam-pirenena : miara-miasa i Madagasikara sy i Royaume-Uni

Miompana amin’ny fifandraisana ara-barotra, ny jono ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena ho an’ny fampandrosoana ny fifanarahan’i Mada­gasikara sy i Royaume-Uni. Nankatoavin’ny solombavambahoaka teny Tsimba­za­za, nandritra ny fivoriambe natao ny alatsinainy teo, ny fanohizana ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra amin’i Royaume-Uni. Lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana ekonomika sy ara-barotra amin’ity firenen-dehibe ity. Natao izany hitazonantsika ny tombontsoa teo aloha sy ny hisitrahana hafa indray. Maro ny tombontsoa azontsika amin’ny tsena iraisam-pirenena, indrindra ny lafiny ara-barotra amin’i Royaume-Uni. Betsa­ka ny entana avy eto Mada­gasikara haondrana any an-toerana raha mitaha amin’ny hafarantsika. Tsiahivina fa niala tsy ho mpikamban’ny Vondrona eoropeana tamin’ny taona 2020 i Royaume-Uni saingy naniry hatrany ny hanohy ny fiaraha-miasany amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny AFOA (Afri­ka Atsinanana sy Atsimo). Mahatratra 75 tapitrisa dolara ny renivola ampiasainy amin’izany. Ankilan’izay, mbola hanohy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena hafa mpikambana ao amin’ny AFOA ity firenena britanika ity, anisan’izany i Zimbabwe, ny Nosy Maorisy, Comores ary Sey­chelles.

Henintsoa H.

Partager sur: