Nivaly ny fangatahan’ny mponina eny Ambodivonkely, boriborintany faha-6. Vita ka notokanana, omaly, ny lalana rarivato mirefy 800 metatra. Hanamaivana ny andavanandron’izy ireo izao fotodrafitrasa vita izao. Tonga teny an-toerana nitokana izany ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Niaraka taminy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nanotrona azy ireo kosa ny solombavambahoakan’ny boriborintany faha-6 sy faha-5. Niampy ny rantsamangaika maro samihafa avy ao an-toerana.
“Mbola santionany amin’ny zava-bita ao amin’ny faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo fotodrafitrasa notokanana. Hitohy hatrany ny fanamboaran-dalana. Ho fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena izany”, hoy ny tomponandraikitra.
Fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy, sy ny faritra Analamanga ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny nahatontosana izao fotodrafitrasa notokanana izao.
Mino