Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fifandraisan’ny samy andrimpanjakana. Eny! hatramin’ny mpiray asa aza, samy maka ho azy. Jereo fosiny ireto ataon’ny solombavambahoaka, manao valala an-karona. Manondrana ny mpanao lalàna raha mba nilamindamina ny teny anivon’ny mpikambana amin’ny governemanta.
Ankoatra ny fanasana, efa nanomboka omaly, hitohy anio sy rahampitso ny famerenana eny Mahamasina. Ny mpanao rindrankira sy ny mpandihy no nisantatra izany. Ny mpanao matso kosa no hanohy ny azy. Ny foloalindahy izay mametraka mazava fa tsy mivadika amin’ny filohan’ny Repoblika, manoloana ny resabe. Tsy maintsy hanatanterahana izay fandaharam-potoana efa vita lamina hatry ny ela. Hakotrokotroka toy ny isan-taona ny asaramanitra ho an’ny mpitondra fanjakana sasany sy ny mpanohana.
Mifanindran-dalana amin’izay, mbola mitohy ny ady amin’ny fiainana ho an’ny sarambabem-bahoaka. Mitrongy vao homana ny ankamaroany. Mahatsapa izany rahateo ny manampahefana sasany, ka zary mamela malalaka ny olona hanao izay danin’ny kibony. Anisan’ny itondrana tsindrim-peo manokana ny fahazoan-dalana ampahibemaso nataon’ny lehiben’ny prefektioran’Analamanga, mahakasika ny fivarotana tsipoapoaka sy ny “laser”. Antony toekarena, hono, no nanaovana izany! Iaraha-mahalala anefa fa loza mitatao ho an’ny fiarahamonina sy ny olombelona ny filalaovana ireny karazan-kilalao ireny.
Ny tsy fandriampahalemana dia mampiteny ny moana. Mandry andriran’antsy ny mponina na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Mantsimantsin-dra izany avokoa ny olona eny rehetra eny. Maimbomaimbo fankahalana sy fialonana tsy amin’ny antony. Mirongatra ny olona very fanahy, mivenjivenjy manerana ny tanàna. Simba ny foto-pisainana, maloto ny tontolo iainana. Maimbo ny tanàna satria mitombo manaraka izany ny havoretrana. Fadiana ny miditra elakela-trano fa sady voendaka no milona anaty loto mihoapampana.
Misy ny fanentanana, betsaka ny ezaka fifampitaizana saingy sarotra atoro Ramalagasy. Zary kolontsaina ny mifampihatsaravelatsiny. Misy ny asaramanitra saingy toa misary asara… mantsina.
r.r