Basikety : hilalao ao amin’ny ALM Evreux i Sitraka

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy mila ravinahitra any ivelany. Araka ny vaovao, hanohy ny filalaovana basikety ao amin’ny klioba ALM Evreux Basket-ball, Rahari­ma­nantoanina Sitraka. Ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024 ny fifanarahana hilalaovany ao amin’ity klioba azo lazaina ho manana ny maha izy azy ity. Klioba Pro B ao Frantsa ny klioban’ny ALM Evreux ary efa manana “palmares” maro raha fifaninanana ao Frantsa no resahina. Hampiseho ny fahaiza-manaony sy ny heriny i Sitraka mandritra io taom-pilalaovana hilalaovany ao amin’ny ALM Evreux io. Tsiahivina fa efa anisan’ny nanampy tosika ny ekipa nasionaly malagasy i Sitra­ka, nandritra ny fifaninanana goavana natrehin’i Mada­gasi­kara. Anisan’izany ny tamin’ny fifanintsanan’ny “Afro­basket Men 2021”. Mbola tanora ary afaka mivoatra tsara Raharimanan­toanina Sitraka, izay vao 22 taona monja ary mirefy 2m 08.
Tao amin’ny klioban’ny Elan Chalon Frantsa no nivoatra i Sitraka, izay mitana anjara toerana lehibe ao amin’io klioba io.

Mi.Raz

Partager sur: