Fahasalamana : nihena 25% ny tahan’ny olona mararin’ny tazomoka

Natao tany farafangana ny fanamarihana ny Andro iadiana amin’ny aretina tazomoka, tamin’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fa mahomby ny ezaka satria nihena 25% ny tahan’ny olona voan’izany (1,7 tapitrisa) raha 2,3 tapitrisa teo aloha.
Tafiditra ao anatin’ny tatitra isan-taona faha-17 nataon’ ny vinan’ny filoha Amerika­nina momba ny ady amin’ny tazomoka (PMI) izany salanisa izany.
Farafangana no ta­nà­na lehibe indrindra ao amin’ny faritr’Atsimo-Atsinana­na, izay nahitana ampahatelony mahery tamin’ny isan’ny olo­na voan’ny tazomoka, tamin’ny taon-dasa.
Manamafy hatrany ny ady amin’ny tazomoka ny fanohanan’i Etazonia.
Tamin’ny taona 2022, nanampy ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny tazomoka (PNLP) eto Madaga­sikara ny PMI, tamin’ny fizarana lay misy odimoka miisa 1,3 tapitrisa sy famendrahana ranom-panafody azo antoka ho an’ny tokantrano miisa 214 000 amin’ny famonoana moka. Nahafahana niaro olo­na miisa 886 000 izany. Teo koa ny fanomezana fatram-pitsaboana fisorohana tazomoka ho an’ny vehivavy be­vo­hoka maherin’ny 2 tapitrisa. Ankoatra izany ny fitiliana sy fitsaboana natao tamin’ny olona miisa 7,8 tapitrisa.
Amin’ny alàlan’ny PMI, ny governemanta amerikana dia manome ny 50 % ny famatsiam-bola ilaina hanampiana ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, amin’ny alàlan’ny PNLP, hampihenana ny tranga sy ny fahafatesana ateraky ny tazomoka ary handroso mankany amin’ny fanafoanana tanteraka ny tazomoka.

Tatiana A

Partager sur: