Fampianarana ambony : manamafy ny hampikatso ny fampianarana ny Seces

Hampihatra avy hatrany ny hevitra tapaka nandritra ny filankevi-pirenena ny Seces. Hanangana « Cellule de crise » ihany koa izy handinika ny raharaham-pirenena.

Nivory ny sampana Seces Antananarivo, ny talata teo. Mana­mafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny filankevi-pirenena hamalian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’ny Seces ireo zo sy hasiny izy ireo hatramin’ny faran’ny volana izao.
Nanapa-kevitra izy ireo fa manaja tanteraka ny fehin-kevitry ny filankevi-pirenena Seces, natao ny 08-09 jona 2023 lasa teo. Manantitran­titra fa vokatra mahafapo sy azo tsapain-tanana amin’ireo fitakiana voarakitry ny fehin-kevitry ny filankevi-pirenena no takina fa tsy fitanisana ny dingana nolalovan’ireo tomponandraikitra fotsiny ihany no andrasan’ny Seces.
Anisan’izany ny fitakiana ny karaman’ny “vacataires”, ny “Indemnités de recherche et d’investigation” ho an’ireo “retraités chercheurs”. Eo koa ny ora fanampiny ho an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, taom-pianarana 2018-2019/ 2019-2020 ary 2021-2022.
Ny vokatry ny “03 décrets”, ny famoahana an’ireo didim-panjakana miisa 05, ny “titularisation” an’ireo mpam­pianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mangataka ho “Professeur titulaire”, ny “reclassement” ary ny fibodoana ny tanin’ny Oniversite.

Hatsangana ny « Cellule de crise »
Tsikaritry ny mpampianatra fa manjaka tanteraka ny gaboraraka, ny fahantrana lalina iainan’ny vahoaka tsimandadiharona, ny tsy fandriampahalemana, ny fanitsakitsahan’ny mpitondra ny lalàmpanorenana. Manginy fotsiny ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, ary indrindra ny fanohintohinana ny maha masi-mandidy ny vahoaka malagasy eto amin’ny tanindrazana sy ny fahaleovantenany.
Hanangana «Cellule de crise» faran’izay haingana ny Seces ary hamoaka tsoa-kevitra hamahana ny olana marolafy maharendrika ny firenena ao ambany vahohon’ireo tsy Malagasy.

Tatiana A

Partager sur: