Fiarovana ny tontolo iainana : tanora 105 nahazo fiofanana

Nankalazaina ny 17 sy 18 avrily teo, tany Am­boa­le­foka Miarinarivo, ny An­dron’ny asa tanana sy ny tontolo iainana ary ny tanora. Nanofana tanora 105 isa ny tily sy ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao. Natao izany mba hanentanana ny fiarahamonina hiaro ny tontolo iainana sy ny asa tanana ao amin’ny faritr’ Itasy. Nandritra ny roa an­dro, samy naneho ny fahaiza-manaony amina sehatra samihafa ireo mpandraharaha vao nisondrotra. Ankoatra izay ny fanabeazana amin’ ny lafiny sosialy, mampirisika ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ara-toekarena ihany koa ny tily. In­drin­dra amin’ny fampandrosoana ny fanoloran-tena amin’ ny fiarahamonina sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny asa tanana. Ta­fi­di­tra amin’izany koa ny fanomezan-danja ny toekaren’ny tanora, fanampiana ireo sahirana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Nanampy betsaka ireo tanora mpandraharaha ny hetsika natao mba hahafahany manitatra sy mana­tsara ny fihariana ataony.

Henintsoa H.

Partager sur: