Fikaohan’ny nofontany : velarantany 9 000ha harenina any Amoron’i Mania

Tsy mionona amin’ny fiarovana ny ala fotsiny ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsinjovina koa ny hitondra fampandrosoana hanatsarana ny fiveloman’ny mponina. Anisan’izany ny fandaharanasa PLAE.

Hisehatra amin’ny fa­mo­karana, fiarovana ny ala voajanahary sy fampihenana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandaharanasa PLAE* andiany fahenina, any amin’ny faritra Amo­ron’i Mania. Natomboka, omaly, tamin’ny fomba ofisialy tao Ambositra ity fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofontany ity. Hiasa ho an’ny tontolo iainana ny tetikasa ka manodidina ny 9 000ha ny ala harenina. Tafiditra amin’ izany ny fambolen-kazo ho an’ny filàn’ny tokantrano sy ho an’ny kaominina. Ny fiarovana ny ala sisa tavela, ny fanaovana ala vadim-boly ary fanatsarana ny faritra fi­raofan’ny biby. Ao anatin’ izany ny ady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofontany mekanika sy ny fiahiana ny fananantany. Tanjona ny hanajary 1 500ha ny ala kaominaly, 1 550 ha ny ala hiarovana ireo ala sisa tavela.
Kaominina 20
Eo ihany koa ny fambolen-kazo ho an’ny olon-to­ka­na amina velarantany 1 350ha. Faritra 1 030ha hatao kijana ho firaofan’ny biby fiompy ary 3 604ha ny ala vadim-boly hovolena. Hisi­tra­ka ity fandaharanasa ity ny kaominina Soavina, Am­bondromisotra, Miarina­va­ra­tra ary Betsimisotra.
Tsiahivina fa hamerina ala manodidina ny 45 000ha, amina kaominina miisa 20, anatina faritra samihafa, hatramin’ny taona 2027 ity tetikasa PLAE ity. Hisitraka izany ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, Betsiboka sy Boeny, Matsiatra Am­bo­ny ary ny faritra Ihorombe. Mahatratra 150 000 kosa ireo mponina hahazo tombontsoa mivantana amin’ izany.

Henintsoa Hani

*PLAE : Programme de lutte anti-érosion

Partager sur: