Afaka ao anaty haizina ! Nisitraka ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano», tanterahin’ny Jirama, ihany koa ny mponin’Amboditsiry, tapany andrefana. Herinandro lasa izay no nangatahan’ny mponina hametrahana jiro fanazavana ny lalana mirefy 700 metatra eo. Satria tsy nisy fahazavana nandritra ny 20 taona mahery, ka tena nampatahotra noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra ho an’ireo tratra hariva raha mody, na koa tsy maintsy hivoaka maraina. Ao anatin’ny vanim-potoana ririnina rahateo izao, ka mora maizina ny andro, nefa koa tara vao mazava. Ary izao nivaly izao sahady, napetraky ny Jirama, omaly, ireo jiro «cobra» isaky ny andrin-jiro. Miainga eo amin’ ny farmasia hatreny amin’ny birao fokontany sady ahitana ny toerana fanasan-damba ary fiantsonan’ny fitaterana taxi-be 154, ahitana andrin-jiro maherin’ny 10 eo.
Hahay hiaro ny fokontany
Antenaina fa mba handray ny andraikitra tandrify azy ny ao amin’ny fokontany Amboditsiry, hametraka lamina, sy handray fepetra hentitra hiarovana ireo fotodrafitrasa ireo. Anisan’izany ny tokony hametrahana fiarovana manokana, tsy ho mora alain’ny mpangalatra, toy ny ankamaroan’ireo jiro amin’ny lalam-baovao, eny Tsarasaotra, By Pass, Boulevard de l’Europe, Petite Rocade, sns. «Fananana iombonana ireny ka tokony hahay hitandro isika fa tsy hionona amin’ny notoloram-potsiny», hoy ny mponina.
Efa miparitaka amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano». Miisa 10 000 ny jiro cobra kendrena hapetraka amin’ity taona 2023 ity.
Njaka A.