Herisetra ara-nofo : nidoboka eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza 4 taona

Nalefa eny Tsiafahy vonjimaika, taorian’ny fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray 34 taona nanolana zazavavikely. Vao efa-taona, nobatain’ io tsy mataho-tody io tampoka teny an-tokotanin’ny ray aman-dreniny io zazakely io. Tsy hita popoka taorian’izay ilay zaza. Tsikaritry ny olona tsara sitrapo anefa ny nitondran’io lehilahy io ilay zaza. Nihazakazaka nijery izany tany amin’ny trano fonenan’io rangahy io ny renin’ity zazavavy. Tratra teo am-panimbana ilay zaza tsy manan-tsiny ilay mpanolana. Efa nesoriny ny akanjon’ilay zaza ary tsy nisy pataloha intsony koa io lehilahy io. Nohamarinin’ny ray aman-dreniny teny amin’ny mpitsabo, simba noho ny faharovitana tao amin’ny faritra maha vehivavy azy ilay zaza. Nentina natao fanadihadiana ilay nahavanon-doza. Niaiky heloka, natolotra ny fampanoavana ka izao niafara amin’ny fihazonana azy eny Tsiafahy izao.

Tsiferana R.

Partager sur: